fahotan'i [0.2; sins] (1KI 14:16, 1KI 15:30, 1KI 16:13, 1KI 16:13, 1KI 16:31, 2KI 3:3, 2KI 10:29, 2KI 10:31, 2KI 13:2, 2KI 15:9, ... +9)
EXO 32:34 Koa mandehana ankehitriny, tariho ho any amin ' ny toerana izay efa nolazaiko anao ny vahoaka. Indro, hialoha anao ny anjeliko. Fa amin ' ny andro hamaizako azy ireo, dia ho faiziko nohon ' ny fahotany izy ireo. "
LEV 5:6 Dia aoka izy hitondra fanatitra noho ny heloka amin'i Yaveh nohon ' ny fahotana izay efa vitany, biby vavy iray avy amin ' ny ondry aman'osiny, na zanak'ondry na osy, ho an ' ny fanatitra nohon ' ny ota, ary ny mpisorona dia hanao fanavotana ho azy mahakasika ny fahotany.
LEV 5:7 Raha toa tsy mahavita mividy zanak'ondry izy, dia mahazo mitondra domoina roa na voromailala vantony roa ho an'i Yaveh izy ho fanatitra nohon ' ny heloka nohon ' ny fahotany, iray ho an ' ny fanatitra nohon ' ny ota ary iray hafa ho fanatitra dorana.
LEV 5:11 Kanefa raha toa tsy mahatakatra domoina roa na voromailala roa izy, ho sorona noho ny fahotany dia aoka izy hitondra ampahafolon'efaha amin ' ny koba tsara toto ho an ' ny fanatitra noho ny ota. Aoka izy tsy hanisy diloilo na ditin-kazo manitra amin'izany, satria fanatitra noho ny ota izany.
LEV 16:16 Tsy maintsy manao fanavotana ho an'ilay toerana masina izy noho ireo asa maloton ' ny vahoakan'Israely, sy nohon ' ny fikomian'izy ireo sy ny fahotany rehetra. Tsy maintsy manao izany ho an ' ny lay fihaonana ihany koa izy, izay hitoeran'i Yaveh eo amin'izy ireo, amin ' ny fanatrehan'ireo asa maloton'izy ireo.
LEV 16:21 Tsy maintsy mametraka ny tanany eo an-dohan'ilay osy lahy velona izy ary miaiky ireo faharatsina rehetran ' ny vahoakan'Israely, ny fikomiany rehetra, sy ny fahotany rehetra eo aminy. Avy eo izy dia tsy maintsy mametraka izany ota izany eo an-dohan'ilay osy lahy velona ary mandefa ilay osy lahy ho entin ' ny lehilahy izay vonona hitarika ilay osy ho any an'efitra.
LEV 26:40 Fa raha miaiky ireo fahotany sy ny fahotan'ireo razambeny izy ireo, sy ireo famadihana izay tsy nahatokisana tamiko, ary koa ny fandehanana manohitra Ahy —
LEV 26:41 izay nahatonga Ahy hivadika amin'izy ireo ary nitondrako azy ireo tany amin ' ny tanin'ireo fahavalony — raha mietry ny fo tsy voaforan'izy ire, ary raha manaiky ny famaizako ho an'ireo fahotany izy ireo,
NUM 15:31 Satria efa nanao tsinontsinona ny teniko izy ary nandika ny didiko, dia aoka ho fongorana tanteraka izany olona izany. Ho aminy anie ny fahotany. ' "
NUM 16:26 Niresaka tamin ' ny fivondronana izy ka niteny hoe: " Ankehitriny dia mialà amin'ireo lain ' ny ratsy fanahy ary aza mikitika na inona na inona ny azy ireo, fandrao ho levona amin ' ny alalan'ireo fahotany rehetra ianao. "
NUM 14:18 ' Tsy malaky tezitra Yaveh ary tsy mivadi-panekena. Mamela heloka sy fahotana Izy. Tsy mba manamarina ny meloka Izy fa mamaly ny fahotan ' ny razambe amin ' ny taranak'izy ireo, dia amin ' ny taranaka fahatelo sy fahefatra. '
1SA 15:23 Fa ny fikomiana dia tahaka ny fahotan ' ny sikidy, ary ny fahamafisan-doha dia tahaka ny faharatsiana sy heloka. Satria efa nolavinao ny tenin'i Yaveh, dia nandà anao tsy ho mpanjaka ihany koa Izy. "
1KI 8:34 dia mihainoa any an-danitra re ary mamelà ny fahotan ' ny Israely olonao; ento miverina any amin ' ny tany izay nomenao ny razany izy ireo.
1KI 8:36 dia mihainoa any an-danitra ary mamelà ny fahotan ' ny mpanomponao sy ny Israely olonao, rehefa mampianatra azy ireo ny lalana tsara izay tokony halehany Ianao. Mandatsaha orana eo amin ' ny taninao, izany nomenao ho lovan ' ny olonao.
2KI 13:6 Na izany aza anefa, dia tsy niala tamin'ireo fahotan ' ny ankohonan'i Jeroboama izy ireo, izay nahatonga ny Israely hanota, ary nanohy izany izy ireo, ary ny baon'Aseraha nijanona tany Samaria.
2CH 6:27 dia mihainoa any an-danitra ary mamelà ny fahotan ' ny mpanomponao sy ny Israely olonao, rehefa mampianatra azy ireo ny lalana tsara izay tokony halehany Ianao. Mandatsaha orana eo amin ' ny taninao, izay nomenao ho lovan ' ny olonao.
NEH 1:6 Henoy ny fivavahako ka sokafy ny masonao, mba handrenesanao ny vavaky ny mpanomponao izay hivavahako eo anatrehanao andro aman'alina ho an ' ny vahoakan'Israely mpanomponao ankehitriny. Miaiky ny fahotan ' ny vahoakan'Israely, izay nanotanay taminao aho. Izaho sy ny ankohonan-draiko dia samy nanota.
PSA 25:7 Aza mihevitra ireo fahotan ' ny fahatanorako na ny fikomiako; Tsarovy amin ' ny fanekena mahatoky noho ny fahatsaranao aho, ry Yaveh!
PSA 59:13 Noho ny fahotan ' ny vavan'izy ireo sy ny tenin ' ny molotr'izy ireo, dia aoka ho samborina izy ireo amin ' ny fireharehany, ary amin ' ny ozona sy lainga no anehoany.
PRO 29:6 Ao amin ' ny fahotan ' ny ratsy fanahy ny fandrika, fa ny olo-marina kosa dia mihira ary mifaly.
GEN 20:9 Avy eo Abimekela nampiantso ny an'i Abrahama ka nanao taminy hoe: " Inona ity nataonao taminay? " Ahoana ny nanotàko taminao, no dia nitondra fahotana lehibe teo amiko sy ny fanjakako ianao? Nataonao tamiko izay tsy tokony natao. "
EXO 29:14 Fa ny nofon ' ny vantotr'ombilahy kosa, ny hodiny sy ny tain-drorohany, dia tsy maintsy doranareo any ivelan ' ny toby. Ho sorona nohon ' ny fahotana izany.
EXO 32:21 Dia hoy i Mosesy tamin'i Arona hoe: " Inona no nataon'ity vahoaka ity taminao, no dia nitondranao fahotana lehibe tahaka izao izy ireo? "
EXO 32:30 Ny ampitson'iny dia hoy Mosesy tamin'ireo vahoaka hoe: " Nanao fahotana lehibe tokoa ianareo. Ankehitriny dia hiakatra ho any amin'i Yaveh aho. Angamba mety afaka mitondra fanavotana amin ' ny fahotanareo aho. "
EXO 32:31 Dia niverina tany amin'i Yaveh i Mosesy ka nanao hoe: " Indrisy! Nanao fahotana lehibe ireto vahoaka ireto ary nanamboatra sampy vita tamin ' ny volamena ho an ' ny tenan'izy ireo.
EXO 34:7 mitazona ny tsy fivadiham-panekena hatramin ' ny taranaka arivo mifandimby, mamela heloka, fahadisoana, ary fahotana Izy. Kanefa hanadio izay meloka Izy. Hamaly ny helok'ireo ray amin'ireo zanaka Izy sy amin'ireo zanak'ireo zanaka, hatramin ' ny taranaka fahatelo sy fahefatra. "
LEV 5:6 Dia aoka izy hitondra fanatitra noho ny heloka amin'i Yaveh nohon ' ny fahotana izay efa vitany, biby vavy iray avy amin ' ny ondry aman'osiny, na zanak'ondry na osy, ho an ' ny fanatitra nohon ' ny ota, ary ny mpisorona dia hanao fanavotana ho azy mahakasika ny fahotany.
LEV 5:13 Hanao fanonerana ho an'izay fahotana vitan ' ny olona ny mpisorona, ary dia ho voavela izany olona izany. Ireo sisa avy amin ' ny fanatitra dia ho an ' ny mpisorona, tahaka ny amin ' ny fanatitra voa. ' "
LEV 5:18 Aoka izy hitondra ondry lahy iray tsy misy kilema avy amin'ireo ondry aman'osy, izay mendrika ny tombam-bidiny, ho fanatitra nohon ' ny heloka ho an ' ny mpisorona. Avy eo dia hanao fanonerana ho azy mahakasika ny fahotana izay efa vitany ny mpisorona, amin'izay tsy nahafantarany, ka dia ho voavela izy.
LEV 6:18 " Mitenena amin'i Arona sy ireo zanany lahy, manao hoe: " Izao no lalàn ' ny fanatitra noho ny fahotana: Ny fanatitra nohon ' ny fahotana dia tsy maintsy vonoina eo amin ' ny toerana izay namonoana ny fanatitra dorana eo anoloan'i Yaveh. Izany no masina indrindra.
EXO 34:9 Ka hoy izy hoe: " Ankehitriny raha nahita fitia teo imasonao aho, Tompoko, mba mandehana eo afovoanay, fa mafy hatoka ireo olona ireo. Mamelà ny helokay sy ny fahotanay, ary raiso ho lovanao izahay. "
1SA 12:19 Dia hoy ireo vahoaka rehetra tamin'i Samoela hoe: " Mivavaha ho an'ireo mpanomponao amin'i Yaveh Andriamanitrao, mba tsy ho faty izahay. Satria efa nanampy ny fahotanay rehetra tamin'izao zava-dratsy izao tamin ' ny alalan ' ny fangatahana mpanjaka izahay. "
NEH 9:37 Ny mpanan-karena nahazo tombony tamin ' ny taninay dia mankany amin ' ny mpanjaka izay napetrakao mba hanjaka eo aminay nohon ' ny fahotanay. Izy ireo dia manapaka eo amin ' ny tenanay sy ny biby fiompinay araka izay tiany. Anaty fahoriana lehibe izahay.
PSA 90:8 Efa nametraka ny helokay teo anoloanao Ianao, ireo fahotanay miafina teo amin ' ny fahazavan ' ny fanatrehanao.
ISA 59:12 Fa eo anoloanao ny helokay, ary ny fahotanay no miampanga anay; fa ny helokay dia miaraka aminay, ary fantatray ny fahotanay.
ISA 59:12 Fa eo anoloanao ny helokay, ary ny fahotanay no miampanga anay; fa ny helokay dia miaraka aminay, ary fantatray ny fahotanay.
JER 16:10 Ary ianao hitatitra ireo teny rehetra ireo amin'ireto vahoaka ireto amin'izany andro izany, ary hilaza aminao izy ireo hoe: ' Nahoana Yaveh no nandidy ity loza lehibe rehetra hanoherana antsika ity? Inona no helokay sy fahotanay izay nanotanay tamin'i Yaveh Andriamanitsika?
EZK 33:10 Ary ianao, ry zanak'olona, lazao amin ' ny ankohonan'Israely hoe: ' Izao no lazainareo: " Ny helokay sy ny fahotanay dia eo aminay, ary simban'ireo izahay! Ahoana no hahavelona anay? ' "
DAN 9:16 Ry Tompo, noho ireo asa marinao, dia aoka ny hatezeranao sy ny fahaviniranao hiala amin'i Jerosalema tanànanao, ilay tendrombohitrao masina. Fa noho ireo fahotanay, sy noho ny helok'ireo razambenay, dia lasa antom-pahafam-baraka ho an'izay manodidina anay i Jerosalema sy ireo vahoakanao.
LUK 11:4 Avelao ny fahotanay, tahaka ny namelanay izay meloka taminay. Aza mitondra anay ho any amin ' ny fakam-panahy. " '
1KI 14:16 Izy dia handao an'Israely noho ireo fahotan'i Jeroboama, ireo fahotana izay nataony, sy nitarihany an'Israely mba hanota. "
1KI 15:30 noho ireo fahotan'i Jeroboama izay nataony sy ny nitarihany ny Israely hanota, satria nihantsy ny fahatezeran'i Yaveh, ilay Andriamanitrin ' ny Israely izy.
1KI 16:13 nohon ' ny fahotan'i Basa rehetra sy ny fahotan'i Ela zanany izay nataon'izy ireo, sy ny nitarihan'izy ireo ny Israely hanota, mba ho nahafahan'izy ireo nihantsy an'i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely, mba ho tezitra amin ' ny sampin'izy ireo.
1KI 16:13 nohon ' ny fahotan'i Basa rehetra sy ny fahotan'i Ela zanany izay nataon'izy ireo, sy ny nitarihan'izy ireo ny Israely hanota, mba ho nahafahan'izy ireo nihantsy an'i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely, mba ho tezitra amin ' ny sampin'izy ireo.
1KI 16:31 Zavatra tsy nisy dikany tamin'i Ahaba ny nandeha tamin ' ny fahotan'i Jeroboama zanak'i Nebata, koa dia nalainy ho vadiny i Jezebela zanaka vavin'i Etibala, mpanjakan'ireo Sidoniana; nandeha ary nanompo an'i Bala izy ka niankohoka taminy.
2KI 3:3 Na izany aza dia nihazona ireo fahotan'i Jeroboama zanaka lahin'i Nebata izy, izay nampanota an'i Israely, tsy nivily tamin'izany izy.
2KI 10:29 Kanefa tsy nandao ireo fahotan'i Jeroboama zanaka lahin'i Nebata i Jeho, izay nampanotàny ny Israely_izay fanompona ny ombilahy kely volamena tany Betela sy Dana.
2KI 10:31 Fa tsy niraraha izay handeha amin ' ny lalàn'i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely, tamin ' ny fony manontolo i Jeho. Tsy niala tamin ' ny fahotan'i Jeroboama izy, izay nampanotàny ny Israely.
2KI 13:2 Nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh izy ary nanaraka ireo fahotan'i Jeroboama zanaka lahin'i Nebata, izay nahatonga an'Israely hanota; ary tsy niala tamin'izany i Joahaz.
2KI 15:9 Nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh izy, tahaka ny nataon'ireo razany. Tsy niala tamin ' ny fahotan'i Jeroboama zanak'i Nebata, izay nahatonga ny Israely nanota izy.